Taorian’ny fikarohana, ny tolakandron’ny alakamisy teo tamin’ny 2 ora no hita ilay razana teny amin’ny village touristique Mahajanga. Zazalahy 15 taona no nosintomin’ny rano teny an-toerana ny alarobia antoandro teo. Rehefa nilomano niaraka tamin’ireo namany valo lahy. Nandeha namonjy fifaninanana, nandritra ilay “tournoi Danji” teto Mahajanga. Miaoloha ny hody any Antananarivo io loza io no niseho. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny amin’ny village touristique teny, namonjy nilalao teny amin’ny fasika ampovoan-dranomasina ireto tanora tamin’io fotoana. Variana teny ka rehefa niverina dia tratran’ny rano niakatra taty amin’ny sisiny, ka teo no nanomboka ny fahadoboana. Roa lahy izy ireo no tena nifamonjena, ny iray avotra soamantsara, ny iray kosa natelin’ny rano. 26 ora no faharetan’ny fitadiavana natao, niaraka tamin’ny zandary sy ireo tompon’andraikitra samihafa ary ireo ekipa avy ao amin’ny fikambanana TVHFB, izay misahana ny fitantanana ny village. Nahagaga ihany ny fomba fiasa nandritra io loza niseho io. Tsikaritra mantsy fa tsy nahitana manampahefana mihitsy teny an-toerana. Toa nangatsiaka ny maro, variana mifanilika andraikitra. Na dia nandefa « zodiaque » aza moa ny kaominina dia mbola sahy nilaza fa tsy manana solika sy menaka? Iza marina izany no tokony hitsangana manoloana ny voina toy izao? Aiza ny fiaraha-misalahy sy ny fiaraha-miasa? Sa ve dia saron’ny politika sy ny vola ary ny fahefana ambony ka ny vahoaka madinika no mizaka ny vokany? Soa fa mbola misy ireo malala-tanana manao izay ho afany sy ny azo natao rehetra. Teto Mahajanga, vao vita ny fikarakarana ny razana nataon’ny tanora tao amin’ny fikambanana tvhfb sy ny klioba dia nitodidoha any andrenivohitra izy ireo namonjy ny fianakaviana.
Tantely Vandriam