Jiolahy roa efa ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana ary efa karohin’ny polisy hatry ny ela no maty voatifitra ny Alatsinainy 11 septambre lasa teo. Araka ny vaovao, saika hanafika tao amin’ny fokontany Ankiembe, ao antampon-tananan’i Toliara izy ireo izao lavon’ny balan’ny polisy izao. Io Alatsinainy io, Nidina teny an-toerana ny polisy rehefa nahazo antso fa misy andian-jiolahy miomana ny hanafika ka manapoaka basy ao an-tanàna. Vao nahita ireo polisy anefa ireo jiolahy dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana ka nahalavo ireto jiolahy roa ireto. Tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray, antsy lava iray, saron-tava, ary vy fanapitsohana trano sy fanalahidy maro isan-karazany. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo tafaporitsaka.
T.M.