Mba nisento kely, omaly, ireo Zandary izay nahavita nandrava ilay tambazotra mpangalatra fiara Sprinter ka nahasambotra ireo jiolahy mpikambana ao anatin’izany. Taorian’ny nampakarana Fampanoavana ireo olona enina voarohirohy tamin’ilay halatra Sprinter nitranga teny Ambohidratrimo tamin’ny 18 Jolay, fantatra izao fa olona 4 no nofonjaina vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy, 2 kosa no nahazo fahafahana vonjimaika, omaly. Na izany aza anefa, mahatsiaro ho tsy afa-po ihany ireo mpitandro ny filaminana izay nanaraka akaiky sy nanao ny famontorana momba ity raharaha ity noho ny nisian’ireto olona roa nahazo fahafahana vonjimaika ireto. Olona roa izay efa fanindroany izao no niakatra fampanoavana tamin’ny raharaha toy izao nefa dia tsy nahiditra am-poja mihitsy hatreto.
Raha tsiahivina ny tantara, nipoitra ity raharaha nanenjehana ireto olona enina ireto ity tao aorian ‘ny nahitana ilay Fiara Sprinter miasa ao Kaoperativa Fifiabe mampitony an’Analakamisy-Ambohidratrimo sy Vasakaosy, izay very tamin’ny faran’ny volana Aogositra, tany Ambato-Boeny ny herinandro lasa teo. Olona 7 no nosamborina tamin’izay ary nakarina fampanoavana tetsy Anosy ka nalefa any Tsiafahy ny iray izay nolazaina fa tena ati-diho. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny sisa. Tsy nitsahatra hatreo anefa ireo zandary rehefa nandre sy nahita fa nisy fiara Sprinter iray hafa mampiahiahay ihany koa tany Mahajanga. Voalaza rahateo fa tao amin’ny toerana izay nadalovan’ilay Sprinter tratra tany Ambato-Boeny no nisy io fiara io. Noho izany, nanapa-kevitra ireo Zandary ny hanohy avy hatrany ny famontorana ka nahita fa andian-jiolahy iray ihany no nanao ireo heloka roa ireo. Voaporofo moa izany nandritra ny famontorana ka nanolorana ity andian-jiolahy ity ny Fampanoavana indray, omaly.
T.M.