- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Vaky ny magazay, nanjavona ny 11 tapitrisa

Ambohijatovo : Vaky ny magazay, nanjavona ny 11 tapitrisa

Trano fivarotana iray eny Ambohijatovo no nisy namaky ny alin’ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Very tamin’izany ny entam-barotra iray gony sy “tablette” iray izay mitentina 11 000 000 Iraimbilanja. Io alina io ihany dia tonga nampandre ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely ny tompon’ilay tsena. Nadeha teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao ny fanadihadiana ka fantatra fa izany Mora izany no namaky ilay trano. Tratra teny Anosibe ity olona ity rehefa nokarohina izay niaiky avy hatrany ny heloka nataony. Nambarany fa nopitsohiny tamin’ny vato fotsiny ny gadena hidin’ilay trano dia tafiditra tao izy. Nilaza anefa izy fa efa lafo namidy ka tsy any aminy intsony ireo entana nangalariny ireo. Efa mpamerin-keloka i Mora ary efa nigadra tamin’ny resaka halatra vola.

Mbola vaky trano ihany saingy teny Analakely indray ity manaraka ity. Naharay fitarainana ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany voalohany etsy Analakely ny talata 12 septembre 2017 mahakasika fahaverezana entam- barotra mitentina 5 272 500 Iraimbilaja tao amin’ny trano fitoeran’entana ao Analakely. Natao avy hatrany ny vela- pandrika ka tovolahy iray antsoina hoe Rado no tratra am-bodiomby teo am-pibatana baoritra iray feno fitaovam- pianarana avy ao amin’io toerana io. Nandritra ny famontorana azy dia nilaza ity tovolahy ity fa efa fanaony ny maka ireo entana mijanona ao amin’ity fitoeran’entana ity fa izao izy vao tratra. Jereny mialoha izay entana mora bataina ka rehefa iny tsy misy olona iny dia alainy. Omaly no natolotra ny Fampanoavana i Rado sy i Mora ka notanana vonjimaika eny amin’ny Fonjaben’Antanimora avokoa.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici