- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMpanao bala ao Betroka : Mitaky ny marina momba ireo akora simika...

Mpanao bala ao Betroka : Mitaky ny marina momba ireo akora simika sarona ny mponina

Raha mbola eo am-panaovana ny famotorana mikasika ilay fahitana vovoka simika « chlorate de sodium » fanaovana bala tratra tao an-tranon’olon-tsotra tany Betroka ny zadary any an-toerana dia re izao fa misy ny fanangonan-tsonia ataon’ireo mponina mitaky ny mba hivoahan’ny marina momba iny raharaha iny. Kilasiana ho akora stratejika ny « Chlorate de Sodium ». Ny orinasa mpanao dinamita sy fitaovam-piadiana toy ny « grenade » no tokony hividy sy hitahiry azy. Tsy maintsy nahazoana alalana tamin’ny Tompon’andraiki-panjakana voakasik’izany, toy ny Minisitera miadidy ny fiarovam-pirenena, ny fanafarana na fividianana. Manahy ny mponina any an-toerana sao ho very an-javony ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana fa azo eritreretina ny fisian’ny olona ambony sy mahitahita ao ambadik’izao. Fantatra rahateo fa ny andro nahatratrarana ireo akora ireo, dia nisy tamin’ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha ity no tafaporitsaka. Tamin’io andro io dia niala vao maraina be tao an-tanàna niaraka tamina olomboafidy iray any amin’iny faritra iny izy io, raha araka ny fanangonam-baovao avy amin’ny Zandary manao ny famontorana. Voalaza fa tao amin’ny tranon’ny mpiasan’ity olona ity (Gardien) no nahatratrarana ireo akora ireo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici