- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Sarona ireo tambazotra mpangalatra vilany lehibe

Ambatondrazaka : Sarona ireo tambazotra mpangalatra vilany lehibe

Vilany  20 tany  ho any,  no nisy nangalatra tao amin’ny tranona mpandraharaha sady  mpahandro amin ‘ireny lanonana lehibe ireny . Vilany mitondra ny marika 60 sy 40 any avokoa ireo, ary tao anatin’ny trano fonenana iray no nangalaran’ireo jiolahy azy .Noho ny ezaky ny tsara sitrapo dia sarona ny mpanera izay saika hivarotra  ireo vilany ireo,  fa ilay atidoha nikotrika sy namaky ilay trano no afaka nandositra, hoy ny lehiben’ny polisy . Araka ny nambaran’ny lehiben’ny polisin’Ambatondrazaka, dia olona mbola misazy ao amin’ny  fonjaben’Ambatondrazaka  ilay namaky ny trano ka mbola karohina hatramin’izao, satria lasa nandositra .Tsy maintsy araha-maso ny tontolon’ny fandriampahalemana aty amin’ny faritra,  hoy ny Kaomisera Rakotomavo Roger Henri lehiben’ny polisin’Ambatondrazaka  ary miantso ny vahoaka hatrany hanome  ny antotam-baovao ny mpitandro ny filaminana ,natolotra ny fampanoavana kosa ireo olona efatra mpiray tsikombakomba.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici