Nisahotaka ny fokonolona tao amin’ny fokotany Andingadingana Ambatondrazaka, ny harivan’ny 12 Septembra 2017 teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva noho ny tsy fahitana ity zazavavy kely vao handray 11 taona ity . Nirahina nantsaka rano ity zazavavy ity ka nisy môtô roa araka ny fanazavana avy hatrany dia nibata azy ka nanampina ny vavany , nentin’izy ireo tao anaty kirihitra ilay zaza ka nofatorana ny tanany. Rehefa nanomboka maizina ny andro, dia niezaka ny namaha ilay fatorana tamin’ny nify ilay zaza ka tafaporitsaka sy nandositra, hoy hatrany ny fanazavan’ilay zaza. Niezaka ny nanaraka hoy ny fanazavana ireto jiolahy, ny andro anefa nanomboka maizina ka afaka nisitrika ilay zaza .Ny alin’ny 12 septambra 2017 io ihany, dia nisy olona mpiambina saha nahita ilay zaza izay efa reraka sy nalemy ka nampiantrano azy. Ny maraina vao nentina tao amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany tao Avaradrova Ambatondrazaka ilay zaza, nahoraka ny feo ka tonga ireo fianakaviana sy ny ray aman-drenin’ilay zaza nanaraka avy any Andingadingana izay lalana 5 km miala ny tanànan’Ambatondrazaka. Mbola natahotra ilay zaza sady mivanditry ny fatotra ny tanany sy ny masony ka nentin’ny fianakaviana namonjy mpitsabo tany amin’izy ireo . Miteraka resabe eo anivon’ny fiarahamonina ity hala-jaza ity, satria mahoraka ny mety ho fivakisana karierana vato indray ka mety hitady sorona. Samy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny zanany ny rehetra amin’izao fotoana izao, mandeha rahateo ny fanadihadiana
Janus R