Toe-javatra mampalaelo no niseho tao Ambohimandroso Amparafavola ny voalohandohan’ny herinandro teo. Mpampianatra iray taloha tany an-toerana, no namoy ny ainy vokatry ny ratra sy daroka nahazo azy, izay nambara fa nataon’ireo miaramilan’ny Das azy. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, ny sabotsy teo no niandohan’ity tranga ity, tao amina trano fisotroana iray tany an-toerana. Toa hoe samy nisotrosotro tao avokoa izy ireo. Nanao fanamiana mpitandro filaminana ity olona namoy ny ainy tamin’io fotoana io. Nanatona azy ireto miaramila ary nangataka fanazavàna mahakasika ilay fitafiana nanaovan’ity lehilahy ity. Efa samy mafana avokoa moa ka niakatra teo ny feo. Araka ny angom-baovao avy any an-toerana hatrany dia nentin’ireo miaramila tany amin’ny biraony ingahy mpampianatra. Tsy fantatra izay nahazo azy tany, hoy hatrany ny vaovao fa izy efa feno ratra sy mangana, no naverina tamin’ny fianakaviana, iray andro taty aoriana, izany hoe ny alahady. Azo eritreretina ho niharan’ny vono sy daroka tao araka izany ity lehilahy ity. Ny alatsinainy maraina anefa dia fantatra fa namoy ny ainy ilay rangahy. Efa noraisin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana moa ny raharaha. Noho ireo ratra sy mangana hita tamin’ny vatany ve no nahafaty ity mpampianatra teo aloha ity sa zavatra hafa ? Ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana ihany angamba no ahafahana mamaly izany. Ary toa ka voamarina fa hoe noho ny daroka nahazo azy izay ambara fa nataon’ireo miaramila no nahafaty azy, dia tokony handray ny valin’asany eo anatrehan’ny fitsaràna ireo nahavanon-doza. Ny zavatra toa izao tokoa mantsy, raha hoe vitavita ho azy, no mazàna mampisy ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ireo mpitandro filaminana. Hany mipetraka hatrany ilay tsy fahatokisana izay mazàna miafara amin’ireny fitsaram-bahoaka ireny.
m.L