- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomamy RN4 : Mpandraharaha maty voatifitry ny jiolahy nitondra « kalach »

Andranomamy RN4 : Mpandraharaha maty voatifitry ny jiolahy nitondra « kalach »

Fanakanan-dalana indray ! Kamiô-na mpanangom-bokatra iray no lasibatry ny jiolahy kilaometatra vitsy tsy hiditra an’Andranomamy, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Vokany : maty voatifitr’ireo olon-dratsy ilay mpandraharaha mpanangom-bokatra. Vola manodidina ny 50 tapitrisa teo ho eo kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Omaly maraina tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any ity fanafihana ity no nitranga, araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana. Avy any amin’ny kaominina 5×5, distrika Maevatanana ity fiarabe ity, ary saika handeha hamonjy tsena tao Andranomamy, RN4. Nizotra nilamina ny lalana fa nony tonga teo amin’io toerana io dia tifitra variraka avy hatrany niantefa tamin’ity fiarabe ity sy ireo olona tao anatiny. Ankevitry ny enin-dahy teo ireo olon-dratsy, raha ny fiavian’ny tifitra araka ny vaovao voaray, ary basy mahery vaika toy ny “kalach” no nampiasain’izy ireo. Ny “cabine” nisy ny mpamily sy ireo olona tao anatiny avy hatrany nokendren’ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io no nahavoa ilay mpandraharaha. Niditra teo amin’ny tratrany ny bala ary nahavoa ny fony, ka dia maty tsy tra-drano ity farany. Nentin’ny tahotra ireo namany hafa ka nanajanona ilay fiarabe, ary nanao izay danin’ny kibony nibata izay zakany sy nitondra izay vola tao ireto mpanakan-dalana ireto. Raha ny fantatra dia niankandrefana nihazo ny distrikan’Ambatoboeny ny lalan’ireo olon-dratsy ireto. Efa manao ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici