- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFiravahana Bongolava : Dahalo roa maty voatifitra, iray hafa naratra

Firavahana Bongolava : Dahalo roa maty voatifitra, iray hafa naratra

Namaivay indray ny fifandonana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana ny alarobia lasa teo, tany amin’iny kaominina Firavahana iny. Vokany, dahalo roa no lavon’ny balan’ireo zandary niaraka tamin’ny Tafika sy ny fokonolona, nisy iray naratra mafy saingy nampian’ny namany ary nentin’izy ireo nandositra. Nisy fanafihan-dahalo talohan’io fifandonana io tao amin’ny tanan’Ankadilava, fokontanin’Antanamba, ao amin’ny kaominina Fiaravahana, distrika Fenoarivobe, tamin’io alarobia antoandro io. Am-polony maro ireo malaso ary nirongo basim-borona sy zava-maranitra. Noho ny tahotra sy ny havitsiana dia tsy sahy namaly ireo mponina, hany ka lasan’ireto olon-dratsy ireto ny ankabeazan’ireo omby tao an-tanàna. Taorian’io fanafihana io dia nampandrenesina avy hatrany ireo zandary tao Firavahana, izay raha ny fantatra dia teny am-panatanterahana fisafoana teny amin’ireo vohitra manodidina, niaraka tamina miaramilan’ny Das iray sy ny fokonolona. Nanao ny fanaharan-dia sy ny fiambenana ny kizo, izay mety hamantanan’ireo olon-dratsy hanafenana ny omby ireto farany. Ny harivan’ireo fanafihana io, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo no nifanehatra teo amin’ny toerana antsoina hoe, kizon’ny Tranorava Tampoketsa ireo mpanara-dia sy ireo dahalo. Raikitra teo ny fifampifirana. Rehefa lavo ny roa tamin’ireo olon-dratsy dia nilavo lefony nitsoaka izy ireo, nitondra ny namany naratra ary namela ireo omby avy nangalariny. Tsy nijanona hatreo moa fa mbola nitohy ny fikarohana ireto dahalo tafatsoaka ireto. “Na andro na alina dia tsy mikely soroka ny Zandarimaiam-pirenena mamaly ny antson’ny mpiray tanindrazana aminy amin’ny fiarovana azy ireo. Tsy misy afa-tsy ny firaisana hina hatrany, toy izao niseho tany Firavahana izao, no ahafahana mandresy ny asa ratsin’ireo jiolahy rehefa mitranga ny asa ratsy”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici