- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Nofitahina tamin’ny mpandalo ny mpanendaka

Anosibe : Nofitahina tamin’ny mpandalo ny mpanendaka

Jiolahy  iray, 17 taona, no voasambotry ny polisy teny Anosibe, tao amin’ny faritra antsoina hoe Jamaika, ny alarobia 13 septambra tokony ho tamin’ny 8 ora alina, rehefa avy nanendaka raim-pianakaviana handeha hody eny an-toerana. Araka ny fanazavana dia efa-dahy izy ireo no nanao ny fanedahana. Ny iray mody nisongona ilay raim-pinakaviana. Ny telo kosa manaraka avy aoriana. Nobedain’ireto farany ilay raim-pianakaviana rehefa niditra elakelan-trano dia raikitra tamin’izay ny fandrobana. Lasa avokoa ny zavatra rehetra tao am-paosy, toy ny finday sy vola, ny kitapo iray misy solosaina enti-tanana. Rehefa izay dia nitsoaka daholo izy ireo. Niantso ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5  ity niharam-boina ka natao ny velapandrika. Nisolo fitafiana ilay raim-pianakaviana dia nalefa nivoaka ka nahatazana ny iray tamin’ireo mpanedaka, izay nosamborina avy hatrany. Rehefa nosavaina dia tratra teny amin’ny ny « écouteur” tamin’ny  findan’ ilay raim-pianakaviana. Mbola nahitana antsy lava koa teny aminy. Nampidirina am-ponja avy hatrany ity jiolahy ity rehefa natolotra ny fitsarana omaly.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici