Anjaran’ny prefen’i Toamasina Benanddasana Cyrille indray ny alakamisy tolakandro teo no namoaka fanambarana ofisialy avy amin’ny fanjakana mikasika ny fisian’ilay valan’aretina Pesta amin’ny tratra eto Toamasina. Raha ny fanambarana nataony izay natrehan’ny talem-paritra atsinanana amin’ny fahasalamana sy ny sekretera jeneralin’ny faritra atsinanana taorian’ny fivorian’ireo rantsa-mangaika rehetra tafiditra amin’izao raharahana valan’aretina Pesta izao, dia efa voafehy ny aretina amin’izao fotoana izao ka tsy tokony hatahotra sy hiroiroy saina ny vahoaka. Efa tsy misy intsony ny maty, saingy mbola misy marary miisa enina ary efa voara-maso avokoa ireo olona 350 niara-niriaria tamin’ireo dimy efa maty sy ireo marary mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be. Voalazan’ny fanambarana hatrany fa mitohy hatrany ny fanadihadiana sy fanaraha-maso eny amin’ny fokontany sy eny Barikadimy ary ireo fianakaviana nisian’ireo maty sy ny marary, mba hamongorana ity valan’aretina Pesta ity eto Toamasina. Vokatr’izany dia tokony hiverina mianatra ireo sekoly nampijanona ny fianarany, mitohy hatrany koa ny asa samihafa ho an’ny mpiasa. Amin’izao toe-javatra misy eto Toamasina izao dia mametraka ny tsiny rehetra amin’ny vahoaka indray ny ataon’ny sehatry ny fahasalamana, nefa ny tandrevaka nataon’izy ireo ihany no nisian’ilay valan’aretina teto Toamasina. Misy mihitsy aza ny fifanomezan-tsiny eo amin’ny samy mpitsabo tamin’ny filaharan’ny olona ny fanafody heverina ho fanafana sy fisorohana ilay aretina ary mahita ireo mpitsabo sasany mampiasa ilay tampim-bava sy orona eny an-dalam-be. Ankoatra izay dia nanao ny fanadiovana ireo fako niangona teto Toamasina, tamin’ny alalan’ny fanampiana ara-bolan’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny teo anivon’ny kaominina nanomboka ny alakamisy teo.
Malala Didier