Ny alarobia 13 septambra teo no namoaka ny fitsarana ny raharaha fakana vola tsy ara-dalàna taman’olona tao Maromitety Vavatenina, izay nahavoarohirohy zandary telo lahy miasa ao Fenerivo atsinanana, ny mpitsara nisahana ny antontan-taratasin’adin’izy ireo raha efa ny faran’ny volana aogositra teo no nitsarana ny raharaha. Noho ny tsy fahampian’ny porofo manenjika ireto zandary telo lahy ireto tamin’ny fiampangana azy ho naka vola tsy ara-dalana, dia didy fanafahana azy ireo tam-pisalasalana no nataon’ny mpitsara. Nanomboka ny alarobia ihany izany dia nivoaka ny fonja ireto zandary telo lahy ireto. Raha hiveranana ny tantara dia noho ilay resaka taolam-paty tao Maromitety Vavatenina, izay nahatrarana mpianakavy iray misy olona 5, voalaza fa mpamaky fasana sy mpibizina taolam-paty. Nakan’izy telo lahy vola ho takalon’ny tsy fanejehana azy izy ireo, nefa tratran’ny polisy ihany taty aoriana. Izy ireo indray no nanondro ireo zandary tamin’ity raharaha ity. Araka ny angom-baovao dia telo lahy izany ireo zandary mbola miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy amin’izao fotoana izao, izany hoe ilay zandary tratra nivarotra basy tao Tanambao V sy ireo zandary roa lahy voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo andian-jiolahy, ankoatra ireo efatra efa nahazo fahafahana vonjimaika…
Malala Didier