- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - “Opération” mpanendeka : Dimy tratran’ny polisy, iray naratra mafy voatifitra

Toamasina – “Opération” mpanendeka : Dimy tratran’ny polisy, iray naratra mafy voatifitra

Taorian’ireo fitarainana maro voarain’ny polisim-pirenena teto Toamasina mikasika ny firongatry ny fanendahana tsy maraina, tsy antoandro, tsy ny hariva sy ny alina, dia misy ny “opération” manokana nataon’izy ireo nanomboka ny herinandro lasa teo.

Niatomboka tamin’ny hetsiky ny FIP Toamasina, teny amoron-dranomasina ny faran’ny herinandro lasa teo izany izay nahatrarana am-bodiomby ireo andian-jatovo mpanendaka  valo lahy, nitohy tamin’ny hetsika nataon’ny polisin’ny boriborintany faharoa naha-voatifitra jiolahy mpanedaka iray tao Anjoma; izao indray ny polisin’ny Kaomisaria “Central” no nanao ny hetsika tao Mangarano sy Ankirihiry ny faran’ny herinandro teo. Vokatra ity hetsika farany dia mpanendaka roa lahy izay naman’i Salomona rain-dahiny amin’ny fanendahana efa misazy ao Ambalatavoahangy no tratran’izy ireo. Nitohy tao Mangarano izany ka mpanendaka avy nanao ny asa ratsiny no nifanehitra tamin’ireto polisy manao fisafoana amin’ny alina, vao nahita ireto polisy izy telo lahy ka avy hatrany dia nandositra ka raikitra ny fifanenjehana. Voatery nanao tifi-danitra hampijanonana azy ireo ny polisy, saingy nitsoaka ihany izy telo lahy ka voatifitra nandritra izany ny iray izay maratra mafy ka tsaboina eo anivon’ny hopitaly be hatramin’ny sabotsy lasa teo. Tratra teny aminy ireo antsy lava lela, fitaovana fampiasan’izy ireo, ny roa lahy namany kosa tafaporitsaka tao anatin’ny haizin’ny lalam-pasika mandrevo tao Mangarano.

Mitohy hatrany ity “Operation” mpanedaka ataon’ny polisy ity araka ny nambaran’ireo kaomisera misahana ny kaomisariana efatra eto Toamasina, ho filaminam-bahoaka nefa mangataka fiaraha-miasa matotra amin’ireo andrimasom-pokonolona ny polisy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici