Toy ny niseho tany amin’iny faritra Alaotra izay nisiana mpampianatra maty nodarohan’ny miaramilan’ny DAS, dia nahenoana torak’izany ihany koa tany amin’iny distrikan’Ambositra iny, tao amin’ny kaominina Anjoma an’Ankona. Raha ny fampitam-baovao dia nisy olona roa namoy ny ainy, izay voalaza fa hoe novonoin’ireto miaramilan’ny DAS ireto. Tokony ho herinandro mahery teo no niantomboka ity raharaha ity raha ny fanazavàna azo. Efa iaraha-mahalala ny resaka tsy fandriam-pahelamana sy ny asan-dahalo any an-toerana. Ka tamin’io fotoana io dia miaramila maromaro avy amin’io vondrona io no nirahina hisafo ny tsena tao amin’ity kaominina ity. Tamin’izay ihany koa anefa no nisy andian’olona maromaro nihantsy ady tamin’ireto mpitandro filaminana ireto. Raikitra teo ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana. Taorian’izay dia fantatra fa nisy olona roa voasambotra izay nentin’ireto mpitandro filaminana tany amin’ny biraony. Tany no voalaza fa niharan’ny daroka sy vono ireto roalahy ireto ary namoy ny ainy nony avy eo. Nanambara ny fianakavin’ireo maty fa hoe tsy olon-dratsy izany ny havany fa novonoina tamin’ny tsy rariny izy ireo. Efa noraisin’ireo tompon’andraikitra amin’izany moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ary efa mandeha ny famotorana isan-karazany ahafantarana izay zava-nisy marina.
m.L