- Publicité -
mercredi, novembre 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna RN4 : Fiara roa tra-doza, olona enina no naratra.

Maevatanàna RN4 : Fiara roa tra-doza, olona enina no naratra.

Araka fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, fiara wolkwager caddy avy any Antanànarivo ho any Mahajanga no vaky kodiarana aloha amin’ny havanana ary niala lalana, ka nitsoraka tany ambany tetezana. Tamin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 250+30, tao amin’ny Kaominina Antsiafabositra, disitrikan’i Maevatanàna, no nitrangan’io lozam-pifamoivizana io, ny asabotsy lasa teo tokony tamin’ny 8 ora maraina. Naratra mafy ny mpamily an’io fiara io, niaraka tamin’ny mpandeha roa tao anatiny ary nalefa notsaboina ao amin’ny Csb2 Antsiafabositra. Efa tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Nidina tany an-toerana ny Zandary avy ao amin’ny «Poste Fixe» Antsiafabositra nanao ny « Costat» sy ny fanadihadiana. Akoatra izay dia fiara 4×4 tsy mataho-dalana iray, marika Hynday ho any Nosy Be, kosa no nandeha mafy ka nandona ny tsatoka tamin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 322+ 800, tao amin’ny fokontany Andramy, Kaomininana Maevatanàna faharoa, ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora mitataovovonana. Mpandeha roa tao anaty fiara sy ilay mpivarotra amoron’arabe no naratra, potika sy niparitaka ny entam-barotra ivelan’ny fiara. Potika ihany koa ny ilany havia tamin’ilay fiara tra-doza. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny Zandary avy eto Maevatanàna ary nalefa notsaboina eny amin’ny hopitalibe Morafenokely kosa ireo naratra, fa ny iray nalefa any Antanànarivo. Ny Zandary eto Maevatanàna no misahana ny fanadihadiana makasika ity tranga ity.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici