Noho ny ezaka sy paik’ady nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny boriborintany Fahavalo etsy Analamahitsy, dia sarona ny faran’ny herinandro teo ireo olon-dratsy nandroba tao amina toby fitaizana zaza kamboty iray, tetsy Amboditsiry. Efa-dahy izy ireo raha ny fanazavana azo, ary ny iray tamin’ireo tsy iza fa zaza notezaina tao amin’io toby io ihany, saingy noroahina taty aoriana. Manodidina ny 21 taona eo avokoa ry zalahy ireto, saingy ny mpitarika azy ireo sy ny nanome ny fitaovana sy paik’ady rehetra famakiana trano, dia rangahy iray antsoina hoe « Zandribe » 40 taona. Raha tsiahivina, dia ny alin’ny 28 aogositra lasa teo no nisy namaky tao amin’ity toby ity. Najifa avokoa ireo entana sarobidy rehetra tao : fitaovana elektronika, firavaka volamena, vola vahiny sy malagasy sy ny maro tsy ho voatanisa. Raha atotaly dia mitentina any amin’ny 125 tapitrisa any ho any ny tetibidin’ny zavatra very tamin’io fotoana io. Efa maty paika tanteraka mantsy, raha ny fanazavana azo hatrany, ity fandrobana ity satria efa hain’izy ireo, noho ny fisian’ilay iray efa notezaina tao ihany, ny fandaharam-potoana tsy hisian’ny olona tao amin’ilay toerana. Nigalabona tokoa ry zalahy arak’izany nanao ny asa ratsiny. Ny ampitso vao hitan’ny tompon-trano ny fahavoazana ary nisy avy hatrany ny fametrahana fitarainana teny anivon’ny pôlisy. Nanomboka teo ny fanadihadiana. Ny 15 septambra lasa teo, dia sendra nahasambotra olona nampiahiahy teny Masay ny pôlisy nandritra ilay hetsika manokana nataon’izy ireo. Rehefa nofotorona ity farany, dia niaiky fa olon-dratsy ary isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fandrobana tetsy Amboditsiry. Nanoro ny namany avy hatrany moa izy, ary niroso tamin’ny fisamborana ireto mpanao famotorana. Fisamborana izay tonga hatrany Ambatomanoina Anjozorobe mihitsy, toerana izay nieren’ireo tontakely avy namita ny asa ratsiny. Omaly moa izy efa-dahy ireto no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Efa tsy nisy hita intsony kosa ireo entana sy ny vola nalain’izy ireo tao amin’io toerana io, raha ny fantatra hatrany.
m.L