Nivoaka afak’omaly antoandro tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha, ny didim-pitsarana mahakasika an’ilay lehilahy mpamily bajaj nanao ady totohondry tamina polisy monisipaly, ny 22 aogositra lasa teo, tao Amboditsatrana, ka sazy mihantona enim-bolana niampy fandoavana onitra iray tapitrisa Ariary no azon ilay mpamily Bajaj nanao Moraingy tamin’ity mpitandro filaminan’ny kaominina ambonivohitry Sambava , nandritra ny fifamoivoizana.
Eric Manitrisa