- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMpitondra posy mangalatra : Roa lahy tratran’ny polisy ambodiomby

Mpitondra posy mangalatra : Roa lahy tratran’ny polisy ambodiomby

Isan’ny fahoriana ho an’ireo mpividy entana sy ireo vao tonga amin’ny taksibrosy mitondra entana maro, ny afitsok’ ireo mpitondra posy mangalatra ny entan’izy ireo. Saika isan’andro, dia maharay fitarainana mikasika izany hatrany ny polisy, tahaka ity nahazo ny mpivarotra iray avy nividy entana avy any Antananarivo, tonga vao maraina teto Toamasina ka naka posy nitondrana izany. Ny alahady 17 septambra teo no nisehoan’ny raharaha, raha naka posy hitondrana ny entana ho an’i Mangarivotra ity mpivarotra ity, sy naka posy iray hafa niondranany hamonjy fodiana ihany koa. Raha ny zava-nisy anefa, dia efa voaoman’ireto posy roa lahy ny halatra hataony, satria ilay mpitondra ny entana no teo aloha ary nanaraka avy taoriana ilay posy nitondra azy. Tsy lasa lavitra akory dia nahita fahasimbana tamin’ny posiny ilay nitondra an’ity mpivarotra ka mody nanamboatra izany; tao anatin’izay anefa efa nirifatra tsy hita intsony ilay posy nitondra ny entana teny aloha. Gony maromaro nisy radio, kiraro, « panneau solaire » sy kojakoja samy hafa no nentin’ity posy nirifatra tsy hita ity. Avy hatrany dia nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy ilay mpivarotra. Nanomboka teo ny fikarohana ka ny alahady lasa teo, dia tratran’ny polisin’ny boriborin-tany faharoa teo ambony tetezan’i Tanambao Verrerie nivarotra ireo entana nangalariny ilay mpitondra posy iray, izay voaporofon’ilay mpivarotra ihany koa. Ity mpitondra posy tratra ity kosa no nanoro ny namany izay tratra tao aminy ihany koa ireo entana sasany nangalarina. Samy niaiky ny halatra nataony izy roa lahy ireto ary nivaky fa mpiray tendro amin’ny fanaovana ny halatra. Omaly no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ka miandry fitsarana am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy izy roa mpitondra posy ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici