- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra kaontenera tao amin’ny Seranan-tsambo : Fito miliara ny tetibidin’ny zavatra...

Halatra kaontenera tao amin’ny Seranan-tsambo : Fito miliara ny tetibidin’ny zavatra very, olona efatra voarohirohy

Isany misy tambajotra goavana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny resaka halatra kaontenera, izay mazana vola be amina miliara no ambadika. Isan’izany ity tranga niseho ny 2 septambra lasa teo ity, izay nahavoarohiroy olona efatra ka mpiasan’ny MICTSL ny roa. Raha ny fanazavan’ny zandarimarian’ny seranan-tsambo, ny GPHC Rabaridimby Branly komandan’ny kaompania Port, sy ny lefiny ny lietna Rambeloarison Barthelemy, dia efa voaomana mialoha tao anatina tambajotra matanjaka ity fikasana hangalatra kaontenera lava, 40’, iray ity. Ny 2 septambra io dia nisy kamiao iray niditra tao amin’ny MICTSL hanatitra kaontenera foana; nandritra izay anefa dia nohararaotina nandritra ny fivoahany ny famoahana ity kaontenera lava, 40’,  feno sigara izay tombanana ho 5 hatramin’ny 7 miliara ariary ny sandany. Efa vonona ny fitaovana fibatana ny entana hametraka azy eo ambonin’ilay kamiao ary vita soa aman-tsara izany. Nisy mpiambina nahatsikaritra anefa ilay fihetsika hafahafa nataon’ilay mpamily ny kamiao ka nanomboka nisy ny fanairana ireo mpiambina ao amin’ny MICTSL, saingy nahare ilay fanairana koa ireo tambajotra ka nesorina haingana teo ambonin’ilay kamiao ilay kaontenera. Tao anatin’izay anefa, dia nanomboka ny fanaraha-mason’ny orinasa MICTSL ny zava-nisy tamin’ny alàlan’ireo “cameras” maro be misy ao aminy, ka teo no nivoaka avokoa ny marina rehetra mikasika ity fikasana hangalatra kaontenera ity. Tratra niaraka tamin’izany koa ireo taratasy hosoka nampiasaina rehetra tahaka ny “gate-pass” ahafahana miditra ny faritry ny orinasa, sy ny “TID” milaza ny toerana misy ilay kaontenera. Ankilan’izay, dia kaontenera efa tonga teto amintsika ny volana aogositra 2016 ity kaontenera misy sigara saika hangalarina ity, saingy tsy nanao ny fikarakarana ny taratasy tamin’ny famoahana azy ny tompony izay tsy fantatra ny antony. Mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ity raharaha fikasana hangalatra kaontenera tao amin’ny MICTSL ity, satria mahita ny zandary ny Port misahana ny raharaha fa tsy ireo olona efatra  mpiasan’ny MICTSL roa sy ny mpamily ary mpiambina avy amin’ny “G4S” iray, ireo ihany no ao anatin’izao raharaha izao, fa tsy maintsy misy ireo mpiasa aty am-bavahady, ny raharaha…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici