Vita tanteraka ankehitriny ny asa fanamboarana ho tara ny lalam-pirenena fahasivy mampitohy an’i Toliara tampon-tanàna sy Analamitsampy mirefy 107 km ataon’ny orinasa Sinoa China Railway. Ny alarobia naraina teo no tonga nijery ny fahavitan’ny asa vita ary nanao fandraisana vonjimaika izany ireo teknisianina tompon’andraikitra nahitana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, izay nilaza fa tsara ny kalitaon’ny lalana vita, ary anisan’ny nahatsara izany sy nahavitana izao lalana manara-penitra izao haingana. Raha ny fanazavana azo, dia noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ireo injeniera Malagasy sy Sinoa. Tombony lehibe ho an’ny tananan’ i Toliara sy ireo faritra manodidina ny fahavitan’ny lalana izao, satria sady manamora ny vidin-javatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro no mitarika mpizahantany ihany koa, ka anisany malaza sy fantatry ny maro ny ao Ifaty misy toram-pasika tsara indrindra eto Madagasikara, sy ao Madiorano ary Mangily andalovan’ity lalam-pirenena ity.
Rava ny nofy ratsy. « Na dia teo aza ny olana maro samihafa nodiavinay dia vita ara-potoana ihany ity ny fanamboarana ny RN9 izay novatsian’ny BAD vola », hoy ny talen’ny China Railway, James Guo. Nambaran’ny avy ao amin’ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana fa hotohizana hatrany amin’ny Distrikan’i Manja Faritra Menabe ny lalana, ary hisy ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana vaovao izay isan’ny tena lehibe indrindra eto Madagasikara. Tetsy andaniny dia faly ireo mpampiasa ny lalana satria vita hatreo ny nofy ratsy nodiavina tamin’ny faharatsian-dalana nampiteny ny moana teo aloha, indrindra rehefa fotoan’ny orana. Tsiahivina fa tamin’ny fotoan’ny tetezamita no nanaovana ny sonia fifanarahana hanamboarana ho tara ny RN9, ka izao izy vita izao ankehitriny.
Eric Manitrisa