Ao anatin’ny 20 andro no hipetrahan’ny birao mahaleotena eo anivon’ny ady amin’ny kolikoly eto Ambatondrazaka izay ahitana ireo tompon’andraikitra maro miasa eo anivon’ny bianco Toamasina .Nanatanteraka birao manakaiky ny vahoaka ny BIANCO Toamasina amin’izao fotoana izao ,ary Ambatondrazaka no nosafidian’izy ireo hipetrahana anatin’ny 20 andro izay nanomboka ny faha-19 Septembre 2017 teo ary tsy hifarana raha tsy ny faha-5 Oktobre 2017. Araka ny nambaran’ny tale iraisam-paritry ny bianco Toamasina Atoa Rabenarisoa Emile dia tsy maintsy manakaiky vahoaka ny bianco ahafahana manafoana ny kolikoly ,satria ady iraisan’ny rehetra ny ady ary efa nisy ny fampianarana sy fampahafantarana ny rehetra efa an-taonany maro izay, araka ny fanazavana . Misy antontan-taratasy 30 no tafapetraka sy hodinihana ho an’Alaotra Mangoro, izay nametrahana fitarainana ,ary ny 10 no efa voaomana sy efa feno porofo ary hatomboka fanadihadiana . Tsy misy ny trondro vaventy sy ny madinika eo anivon’ny lalàna, araka ny fanazavana, fa mitovy daholo ny fampiharana ny lalàna eo anivon’ny olompirenena rehetra, hoy ihany ny fanazavana nomen’ny bianco raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo ny faha-19 septembre 2017 teo. Nanomboka ny faha-18 septembre 2017 ary dia fantatra fa olona manana ny maha izy azy aty Alaotra no voantso teny anivon’ny bianco hanaovana fanadihadiana araka ny loharanom-baovao voaray noho izay kolikoly izay ,ary fantatra ihany koa fa mbola maro no hantsoina noho ireo fitarainana nataon’ny vahoaka noho ny kolikoly mianjady amin’ny vahoaka aty Alaotra io.
Janus R