“Tsy misy ifandraisany amin’ny tranga na pesta teto amintsika no nanaovana izao fizaham-pahasalamana maimaim-poana izao, fa fandaharam-potoana efa voafaritra mialoha ny anay nefa nifanojo tamin’iny tranga iny, saingy raha mahita tranga izany izahay dia tsy maintsy mandray ny andraikitray”, izay no nambaran’ny filoham-boninahitry ny FIMAMI, Fikambanana Malagasy Mijoro, ny senatera Dr Benesy Harison Sebastien, izay nihatrika ny hetsika fanaon’izy ireo isan-taona amin’ireo mpikambana ao aminy sy ireo olona manantona azy ireo mandritra izany. Olona sahirana an-jatony izay saika ankizy sy olon-dehibe ny ankamaroany no tonga nanao izao fizaham-pahasalamana maimaim-poana izao, tao amin’ny “Pointe Tanio” Tanamakoa. Nisy ihany koa nandritra izany ny fizarana fanafody maimaim-poana nifanaraka tamin’ireo aretina nahazo sy hita tamin’ny tsirairay nomen’ny fikambanana. Raha ny fanazavan’ireo mpitsabo nisahana ny fizaham-pahasalamana izao dia ny resaka olana ara-pisefoana noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny loto, ny fivalanana, ny tazomoka izay misy mandavan-taona eto Toamasina, ary ny resaka tosi-dra indrindra ireo olon-dehibe, no tena tsikaritry ny mpitsabo nandritra izao hetsika izao. Nambaran’ny senatera Dr Benesy Harison Sebastien nandritra ity hetsika ity, fa hisy ihany koa afaka herinandro eo ny hetsika fanaiovana tanana hataon’izy ireo entina hanampiana ny kaominina amin’ny loton’ny tanàna sy ny fivangongoan’ny fako eto Toamasina tampon-tanana, izay ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny asa tana-maro sady fanadiovana no fidiram-bolan’ny olona ihany koa. Misy noho izany ny antso avo nataony amin’ny fiarahan’ny rehetra manao izany, sy fiantsoana mpiara-miasa amin’ny fanampiana ny fikambanana amin’ny maha-tanana iombonana an’i Toamasina.
Malala Didier