- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMaevatanàna : Dahalo iray lavon'ny bala, tratra ny fitaovam-piadiana.

Maevatanàna : Dahalo iray lavon’ny bala, tratra ny fitaovam-piadiana.

Dahalo iray no lavon’ny balan’ny polisy, fitaovam-piadiana maro no sarona. Dahalo valo lahy nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Maevatanàna voalohany, ny alahady lasa teo tokony tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’Atoa Andrianirina Herimala, kaomisera eto Maevatanàna, dia nifanehatra tamin’ny polisy izy ireo ka raikitra fifanejehana teo amin’ny roa tonta. Dahalo iray antsoina hoe Avisoa no maty voatifitra nandritra ny fifandonana, izay namaly nitifitra tamin’ireo  polisy, ka voatery niaro tena ireto farany. Teo no nahafaty voatifitra an’ity malaso iray ity. Nogiazana kosa ireo fitaovam-piadiana teny aminy, toy ny Antsy lavalela maromaro sy ny fanafody gasy iray tavoangy ary vola niaraka tamin’ny solosaina tao anaty sakaosy. Marihana fa io dahalo maty io no voalaza namono an’ilay mpandraharaha tany Andranomamy voa tsy ela akory izay, ary mbola nahafaty olona roa tamin’ny fanafihana tao Ambatofotsy ny 28 Aogositra lasa teo, raka ny vaovao voaranay. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany sasany izay antsoina hoe « Pascala sy Dauphin ary ilay lehibe mpamatsy any Antanànarivo.» Ny polisy eto Maevatanàna no misahana ny fanadihadiana sy famotorana momba ireo fitaovam-piadiana azo ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici