Lehiben’ny mpamtsy an’ireo dahalo no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby nangalariny sy ny namany. Tao amin’ny fokontany sy Kaominina Marokoro, disitrikan’i Maevatanàna, no nahasarona io lehiben’ny dahalo io, ny Alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Araka ny fanazavana voaray avy amin’Atoa Andrianiaina Blaise, kaomandin’ny tombim-paritry ny Zandary eto Maevatanàna. Ny Alatsinainy 28 Aogositra lasa teo, dia nahitana dahalo 20 lahy nitondra basim-borona efatra nandroba omby maromaro, an’olona iray, tao amin’ny fokontany Begogo, Kaominina Tsararano, disitrikan’i Maevatanàna. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Zandary dimy amin’ny «Poste fixe»Bevilany, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, izay naharitra 30 mn teo. Resy tosika ny dahalo ary vaky nandositra, fa ny iray tamin’ireo malaso kosa no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby maromaro. Vokatry ny fanadihadiana natao taminy no moa nahalalana fa manana lehibe mpamatsy izy ireo any Marokoro, ka teo no nahasarona an’io lehiben’ny dahalo mpamtsy io. Tsy nisy naratra ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona tamin’izany fifandonana izany. Ny Zoma teo no natolotra ny fampanoavana ny lehiben’ny dahalo, ary efa nalefa eny amponja vonjimaika. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby maromaro. Mitohy ny fikarohana ireo dahalo sasany ary nosokafana ihany ny fanadihadiana momba ity fanafihana ity.
Ratantely