Jiolahy roa efa malaza ratsy sy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy ao Toliara tampon-tanàna sy ny manodidina no maty tsy tra-drano voatifitry ny polisy nandritra ny fanenjehana azy ireo, afak omaly maraina vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any, tao Bazaribe. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia tranombarotra telo samihafa manakaiky ny trano fiantohana lehibe iray ao Bazaribe Toliara no nasesin’ireo andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana norobaina, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata tokony ho tany amin’ny 2 ora sy sasany tany ho any, ka entana an-tapitrisany maro no lasan’ireo mpandroba. Raha ny fantatra dia avy eny ambony tafo no niditra ireo olon-dratsy, avy eo namaky nisesy an’ireo toeram-pivarotana telo voaroba. Nandritra ny asa ratsy anefa no nisy olon-tsotra monina tsy lavitra an’ireo mangazay voatafika nahatsikaritra ny asa ratsy, ka sahy nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana. Afaka fotoana fohy dia tonga ny bebaoty, ary raikitra ny fanenjehena an’ ireo olon-dratsy izay naharitra adiny telo. Tao anatin’ ny fifampitifirana no lavon’ny balan’ ireo polisy ny jiolahy roa, ireto farany izay voalaza fa anisan’ireo jiolahy efa mitam-basy tena henjana amin’ny famakiana trano sy fanendahana an-dalambe tao amin’ny “Bande de 5” izay efa nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela rehefa maty ny namany telo, araka ny fanazavana azo hatrany.
Eric Manitrisa