- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Tobin-drelijiozy nisy nandroba

Mahitsy : Tobin-drelijiozy nisy nandroba

Io indray ! Tobin-drelijiozy iray teny amin’iny faritra Mahitsy iny no lasibatry ny olon-dratsy indray, ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Ny alina no nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Tsy nisy naheno, tsy nisy nahafantatra ny zava-niseho ireo tompon-trano raha tsy efa maraina vao nifoha. Tamin’izay vao fantatra fa nisy nanapitsoka ny varavarana ary nanjavona avokoa ireo entana rehetra lafo vidy tao amin’izany tobin-drelijiozy izany. Araka izany, tsy fantatra isa ireo olon-dratsy niditra tao amin’ilay trano ary tsy fantatra hoe tamin’ny firy izy ireo no tonga tao amin’ilay toerana. Na izany aza anefa dia tsy nisy naninona ireo tompon-trano tamin’izany fanafihana izany. Ny maraina nahitàna ireo tranga io moa ireo relijiozy no nampilaza tany amin’ny zandariam-pirenena. Teo no ho eo ihany dia efa nandeha ny fanadihadiana nataon’ireto farany, hikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza tamin’ity latsaka alina, nahalasibatra relijiozy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici