Ao anatin’ny fanadaovana ny tontolon’ny Zadarimariam-pirenena mba ho fampiharana ny ezaka fampahandriam-pahalemana eto amin’ny Firenana, fantatra izao fa zandary 25 no efa naiditra am-ponja noho ny fandikan-dalàna nanomoboka ny volana Janoary no manakaty. Zandary 16 no voaroaka, 127 no atao famontorana noho ny fandikan-dalàna na fandikana fitsipi-pifehezana. Voakasik’io anton’isa io daholo na ny miaramila an-daharana na manam-boninahitra. Izao fandraisana fepetra izao dia ho fanatanterahana ny voalazan’ny Jeneraly, Sekeretaram-panjakana miadidy ny Zandarimaria tamin’ny nandraisany ity toerana ity fa : “ny fanadiovana ny ato anatiny aloha no hatao vaindohan-draharaha satria tsy natao ho fialokalofan’ny jiolahy na ny mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy sy ireo mpanararao-pahefana ny ato amin’ny Zandarimaria. Manamafy hatrany moa ny eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria fa tsy mihemotra na oviana na oviana amin’ny fanatanterahana ny andraikiny dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany. Miezaka hatrany na dia ady aman’aina aza no hatrehana hametrahana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Adidy mavesatra tokoa satria hatramin’ny niandohan’ity taona 2017 ity, 11 izao no isan’ny Zandary maty an’ady nifanehatra tamin’ny jiolahy teo am-panatantrehana ny asany.
T.M.