- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversPesta teto Toamasina : Manao fanadiadiana ifotony ny “institut pasteur”

Pesta teto Toamasina : Manao fanadiadiana ifotony ny “institut pasteur”

Taorian’ny  tatitra farany nataon’ny talem-paritra atsinanan’ny fahasalamana izay nahalalana fa enina ireo voan’ny Pesta mbola notsaboina tao amin’ny  sampana mitsabo ny aretin-tratra ny hopitaly be farany teo, dia tsy nisy intsony ny tatitra mikasika ity aretina ity noho ny filazan’izy ireo niaraka tamin’ny prefen’i Toamasina, fa efa voafehy ny aretina ankehitriny amin’ny ankapobeny. Fantatra izao araka ny angom-baovao fa efa eto Toamasina hatramin’ny faran’ny herinandro teo ny ekipan’ny “institut Pasteur” avy ao Antananarivo manao fanadiadiana sy manao fitiliana ifotony ireo olona nifandray sy nifanerasera ary nikasokasoka tamin’ireo olona maty sy ireo olona narary. Natao izao fanadiadiana ifotony izao mba entina hamantarana ny mbola fisian’ny aretina eto Toamasina, sy hamaritana fandaharan’asa entina misoroka ny mety mbola hitrangany, ary entina ihany koa hanomezana toky ny vondrona iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) amin’ny fifehezana ny Pesta eto Toamasina. Ny volana oktobra ho avy izao raha teo andray mpizahan-tany entin’ny sambo COSTA hifandimby isaky ny 15 andro i Toamasina. Vokatry ny fahatsaran’ny fandraisana azy ireo ny taona lasa sy ireo faritra samy hafa azo tsidihana ho an’ireto mpizahan-tany ny taona lasa, dia nampitombo ny fahatongavany ny sambo COSTA; ka raha mazana ny volana desambra na janoary dia tapitra ny fahatongavany, amin’ity taona ity dia any amin’ny volana martsa 2018 vao hifarana ity fahatongavan’ny sambo COSTA isaky ny 15 andro ity

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici