- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-pifamoivoizana tetsy Maibahoaka : 12 volana an-tranomaizina ho an’ilay mpamily namono olona...

Lozam-pifamoivoizana tetsy Maibahoaka : 12 volana an-tranomaizina ho an’ilay mpamily namono olona roa

Ny voalohandohan’ny volana teo no natao ny fitsarana ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina niseho tetsy Maibahoaka Ivato, izay nahafetesana olona roa ary nampizara roa fiara kely iray. Araka ny fantatra, dia sazy roa ambin’ny folo volana an-tranomaizina no azon’ilay mpamily, izay nitondra an’ilay fiara Peugeot 3008, nandona ireo fiara, niampy onitra mahery ny 35 tapitrisa ariary omena an’ireo mpitory. Tsy afa-po amin’ny didy izay navoakan’ny fitsaràna ireo fianakaviana nanana ny maty tamin’iny lozam-pifamoivoizana iny ary nilaza ny hampiakatra ny raharaha amin’ny sehatra avoavo kokoa. Araka ny fanazavan’izy ireo mantsy, dia nisy antokon’olona roa no samy nitory ilay mpamily nahavanon-doza, ny iray ilay namany, izay samy niaraka tao anatin’ilay fiara Peugeot nandona, ary ny faharoa ireo nanana ny havana namoy ny ainy. Araka ny didy tokoa mantsy dia nahazo onitra 29 tapitrisa ariary ilay naman’ilay mpamily namono olona, izay marihana araka ny fitantaran’ireto fianakaviana namoy havana ireto, fa samy niaraka tao anaty fiara ihany izy ireo, ary avy nanala azy vita « bacc ». Ity farany araka izany no nahazo betsaka indrindra, raha toa ka roa tapitrisa ny an’ilay rangahy nanjary nananon-tena tsy fidiny, efatra tapitrisa ny an’ireo ankizy kamboty tao anatin’ny indray mipi-maso monja ary roa hetsy ny an’ireo iray tampo aminy. Ilay fiara Opel Combo nizara roa tamin’io fotoana io kosa, dia tsy azo natao n’inona n’inona intsony, hoy hatrany izy ireo. «Tsy afa-po izahay, hoy Atoa Ramanantsoa Rivo, izay vadin’ilay ramatoa namoy ny ainy tamin’io fotoana io, fa toa ireo olona namono olona indray no nahazo vahana betsaka, indrindra fa eo amin’ny resaka onitra, noho izahay izay nanana ny maty sy ny simba fananana ». Raha tsiahivina tokoa iny tranga nahatsiravina, izay niseho ny 28 jolay lasa teo iny,   dia olona roa no namoy ny ainy, maromaro ihany ireo naratra, ary fiara telo no potika vokatry ny fandehanana mafy nataon’ity fiara mpisetrasetra ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici