Enin-dahy, izay isan’ny nampitondra faisana ny faritra maro tao Imerintsiatosika no voasambotry ny zandary tany an-toerana ny alarobia teo. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny basy PA fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny, izay mbola nisy bala iray, fa teo ihany ireo fitaovana maro isan-karazany fitondran’izy ireo manafika sy mamaky trano. « Tamin’ny fikaroham-baovao izay nohamarinin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ireo jiolahy ireo», hoy ny fampitam-baovao. Marihana fa misy amin’ireto olon-dratsy ireto no avy aty an-drenivohitra fa misy ihany koa anefa ny avy amin’ny tanan’Imerintsiatosika ihany. Tamin’ny fanadihadiana dia niaiky tanteraka izy ireo fa isan’ireo olon-dratsy nampihorohoroho ny mponina teo an-tanàna ary efa maromaro ihany ny asa ratsy vitany. Efa nisy tamin’ireo olona voatafika moa no efa tonga nametraka ny taratasy fitarainany mahakasika ireto andian-jiolahy ireto teny amin’ny biraon’ny zandary. « Noho ny fifampitokisana mipetraka eo amin’ny Zandarimariam-pirenena sy ny vahoaka any an-toerana dia nisy izao vokatra izao izay azo lazaina fa hanamafy ny fandriam-pahalemana amin’iny faritra iny sy ny manodidina »
m.L