- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Andiana mpanendaka tratra niaraka tamin’ny sabatra sy « cagoule »

Mahamasina : Andiana mpanendaka tratra niaraka tamin’ny sabatra sy « cagoule »

Andiana mpanendaka mampikaikaika ny mponina eny amin’iny faritra Mahamasina iny no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahadimy ny alarobia lasa teo. Mbola tratra teny amin-dry zalahy ireto ny sabatra lava lela iray, fentiny manao ny asa ratsiny, niaraka tamin’ny « cagoule » fanafenan’izy ireo ny tarehiny. Ny alina izy ireto no tena manao ny asa ratsiny, ary izay azony dia velon-taraina avokoa. Efa misy andiany maromaro izy ireo no « miara-miasa ». Asa raha hoe entina hisorohana angaha sao afa-manohitra ilay lasibatra. Ary rehefa tratrany dia didinin’izy ireo avy hatrany. Voambana sabatra sy antsy ka tsy afa-manoatra intsony amin’izay ilay olona lasibatra, ka manao izay danin’ny kibony mitaky izay rehetra sarobidy ireto olon-dratsy. Ary tsy vitan’izay fa mbola miaraka amin’ny vono sy daroka. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto mpanendaka ireto no sendra  ny pôlisy mpanao fisafoana. Raikitra teo ny fifanenjehana ka izao niafara tamin’ny fahatraratrarana azy ireo izao. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo dia niaiky ny heloka vitany izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici