Tsy manaiky ny hetsika famonoana alika mpirenireny faobe izay tanterahin’ny avy ao amin’ny sampana mpitsabo biby ao Sambava ny Fikambanana be amboa, ka hidina an-dalambe hamakivaky ny tanànan’i Sambava miaraka amin’ny alikany anio sabotsy. Raha ny fantatra dia efa nanomboka tamin’ny 16 septambra lasa teo ny hetsika famonoana alika mpirenireny ao an-drenivohitry ny Faritra Sava, ary efa nanohitra izany hatramin’ny voalohany ny filohan’ny Fikambanan’ny be amboa ao Sambava. Miteraka fikorotanana ny zava-misy ankehitriny noho ny fifandroritana misy eo amin’ny roa tonta, hoy ny tati-baovao voaray. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny sampana mpitsabo biby ao Sambava, dia tsy tokony hampisy olana ny famonoana an’ireo alika mirenireny, satria sady fanatsarana sy fanadiovana ny tanàna io hetsika io no hisorohana ny aretina haromotana, pesta izay efa miparitaka tokoa ankehitriny, ka izany no anisan’ny mahatonga ny hetsika famonoana ireo biby fiompy mirenireny. Baiko midina ihany koa ny azy, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity.
Eric Manitrisa