Tapaka tao anatin’ny fotoana vitsy ny lalana teny Amboniloha omaly antoandro. Izany dia noho ny fidinana an-dalambe nataon’ireo mponina teny an-toerana, ho fanoherana ny fananganana « pylône » teo ambonina trano lehibe iray. Vetivety tokoa dia vory marobe ny olona, ary efa saika raikitra mihitsy ny sakoroka teny an-toerana, raha tsy tonga malaky ireto tompon’andraikitra isan-tsokajiny, nampian’ireo mpitandro filaminana, nandamina ny raharaha. Mazava ny tenin’ireo fokonolona : « tsy mila an’io « pylone » io mipetaka eo izahay, raha tsy izany dia hisy raharaha eo ». Efa ny faran’ny herinandro teo no narahin’ireo mponina maso ny fikonokonanana teny ambonin’ny tafon’ity trano lehibe ity. Tsy nampiraika firy ny maro anefa izany, raha tsy io omaly io rehefa tena hitan’ny besinimaro fa mivonona ny hanangana ilay « pylone » indray ireo mpiasa. Raikitra teo ny tabataba isan-karazany, ny tsoka kiriorioka sy ny fivelesana ny vavahady vy nankao amin’ilay trano. Tsiahivina tokoa mantsy fa fanindroany amin’ity izao no nisy nikasa hametaka an’izany fitaovana izany teny an-toerana. Saingy tamin’ny voloahany dia fantatra fa tsy nahazo alalàna ireo tompon’izany tetikasa izany, ka noraràn’ny fokontany ilay asa. Manginy fotsiny ny fandavàna ankitsirano nasetr’ireo mponina. Noheverin’ny maro fa hilamina iny resaka iny taorian’ireo fotoana saingy dia izao miverina izao indray. Araka ny angom-baovao teny an-toerana moa, dia tamin’ity indray mitoraka ity dia nisy ny fahazoan-dalana nomen’ny kaomina ny tompon’izany tetikasa izany ka nahatonga azy ireo hametraka indray ilay fitaovana. Hatreto, araka izany, dia mbola tsy fantatra izay tohiny. Fa raha ny omaly aloha, ho fandaminana ireo mponina izay efa nisavorovoro be ihany dia tsy notohizana intsony ny asa ary nasaina nody ireo nametraka izany. Ny amin’ireo fitaovana kosa dia voalaza fa hoesorina eny an-toerana.
m.L