Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalan’i Bypass, teny amin’iny faritra Androndrakely iny, ny alin’ny alahady teo. Fiara « sprinter » iray no niala lalana ary nivadibadika tany an-tanimbary nony avy eo. Olona iray no fantatra fa namoy ny ainy. Roa tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy. Tsy nisy afa-tsy izy telo ireto ihany moa tao anatin’ilay fiara tamin’io fotoana io. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay antony nahatonga ny loza : fandehanana mafy loatra, olana ara-teknika teo amin’ny fiara sa fahadisoan’ny mpamily ? Raha ny angom-baovao azo aloha dia fiara mpitatitra ity « sprinter » ity saingy tsy niasa tamin’io fotoana io, ny andro rahateo alahady, ka mety azo eritreretina ny hoe mba nandeha nivoaboaka izy ireo. Ary mety ho tsy niala lavitra izany ny fisotrosotroana. Saingy vinavina avokoa izany fa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana no ahafantarana marina izay nahatonga ity loza nahafaty olona ity indray. Nentina avy hatrany natao fitsirihana tany amin’ny tranom-paty moa ny razana. Ireo naratra kosa dia nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana.
Fa mbola loza hafa ihany koa no niseho ny alahady hariva teo, teny Ivato. Môtô « scooter », izay nandeha mafy no nanohy ny diany tany anaty rano. Soa ihany fa avotra soa aman-tsara ilay nitaingina fa tsy nisy azo natao intsony tamin’ilay môtô nentiny. Araka ny fantatra dia fahatapahan’ny « frein » ka tsy nahafahany nijanona intsony no nahatonga ity farany nitsoraka tanaty rano.
m.L