- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Sazy mihantona roa taona

Fernand Cello : Sazy mihantona roa taona

Dimy volana izy no notazonina tao amin’ny fonjan’Ihosy.

Nivoaka omaly hariva, ny didin’ny fitsarana ady madio tao Ihosy ; izay nahakasika ny mpanao gazetin’ny Radio Jupiter Ilakaka. Roa taona sazy mihantona miampy lamandy mitetina 720 000 ariary ary koa ny saran’ny fitsarana 4 000 ariary. Halatra taratasim-bola no vesatra nianjady tamin’ity mpanao gazety ity. Rehefa voamarin’ny banky fa tsy nitombina izany dia nanamaivana azy teo anoloan’ny mpitsara. Dimy volana katroka izy no notazonina vonjimaika am-ponja tao Ihosy ary nolavina hatrany ny fangatahany fahafahana vonjimaika nandritr’izany. Omaly vao nihiratra ny masoandro ho an’i Fernand sy ny fianakaviany, indrindra fa ny vadiny izay vao tera-bao tamin’ny fotoana nisamborana azy teto An-drenivohitra. Na dia sazy mihantona aza, ny zava-dehibe hoy ny fianakaviany dia ny fahafahany tao am-ponja aloha. Mbola misy raharaha hafa koa hitsarana azy amin’ny 20 oktobra, saingy io indray dia mahakasika fanalam-baraka avy amin’ny alàlan’ny haino aman-jery. Vesatra, izay ny lalàna mahakasika ny serasera amin’izay no hampiharina eto ka tsy tokony hisy fanagadrana intsony. Efa nahazoany fahafahana vonjimaika rahateo io raharaha faharoa io nandritra ny fanolorana azy teny amin’ny fampanoavana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici