Vehivavy iray izay efa lehibe ihany no hitan’ny olona nitsirara teny amoron’arabe omaly teny amin’iny faritra Namontana iny, efa tsy nisy aina intsony. Ireo mpiantsena vao maraina teny an-toerana no nahita voalohany ity zava-nitranga ity, ka nampiantso avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Tamin’ny voalohany dia noheverin’ny maro fa ireny tsy manan-kialofana namoy ny ainy, vokatry ny aretina na hanohanana ireny ity vehivavy hita faty ity. Somary nahagaga ny rehetra ihany anefa ny nahita azy zara raha nitafy. Tamin’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa maty nisy nanolana izy io. Nahitàna ratra mantsy teo amin’ny fivaviany sy tao amin’ny fitombenany, antony nahafahana nilaza fa niharan’ny herisetra ara-nofo nataon’olon-tsy vanona izy io, araka ny angom-baovao azo. Nentina avy hatrany tany amin’ny tranom-paty ity ramatoa namoy ny ainy ity. Nosokafana kosa tetsy an-danin’izay ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza.
m.L