Gadra roa tamin’ireo iraika ambin’ny folo tafatsoaka tao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka no fantatra fa voasambotra omaly tany Andilanatoby, tanana manodidina ny 30 kilaometatra miala ny tampon-tanan’Ambatondrazaka. Tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any no azo babo izy ireo, hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny zandary misahana iny faritra iny, rehefa avy nifanenjehana. “Nisy ny loharanom-baovao azonay teo anivon’ny zandary sy ny mpiandry fonja mahakasika azy roalahy ireto, ka napetraka avy hatrany ny vela-pandrika ary dia izao nahitam-bokany izao”. Raha fampitam-baovao avy any an-toerana dia nitsoaka nihazo iny lalam-pirenena faha-44 iny ireto gadra nitsoaka ireto. Saika tanana andalovan’izany lalana izany avokoa mantsy no fantatra fa nandalovan’izy ireo. Ny alatsinainy teo izy ireo no voamarika, araka ny fampitam-baovao azo, fa tao amin’izany tananan’i Mangabe izany. Ny talata kosa dia Ambalavato, ary dia izao niafara tamin’ny fanamborana azy ireo tao Andilanatoby izao. Niezaka nitsoaka moa ireto farany ary voatery nanapoaka basy nanao tifi-danitra ireo mpanenjika izay nahitana zandary sy mpiandry fonja. Nilavo lefona avy hatrany izy ireo nony avy eo. “Mbola mitohy sy tsy miato ny savahao, ny fametrahana barazy mba hikarohana ireo sivy lahy ambiny, tafatsoaka ataonay mpitandro filaminana”, hoy ity tompon’andraikitra. Araka izany, manentana izay mety ho manam-baovao mahakasika azy ireo mba tsy hisalasala hiantso avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana akaiky azy ireo.
m.L / Janus