Nisy zandary lavon’ny dahalo ny talata lasa teo nandritra ny fanarahan-dia. Tao amin’ny fokontany Miandrarivo, ao Tsiroanomandidy, no nitrangan’izany ny alin’ny talata hifoha alarobia. Be noho ny vitsy ilay mpitandro ny filaminana izay niezaka niaro ny ainy sy ny ain’ireo fokonolona, kanefa lavon’ny olon-dratsy. Omaly dia nandefasana angidim-by tany an-toerana niampy komandô maromaro hihaza ireo olon-dratsy. Mampiteny ny moana ny asan-dahalo ao amin’ny faritr’i Bongolava ary saika isan’andro no hisian’izany. Tsy voalohany ihany koa no nisy mpitandro ny filaminana lavo amperinasa nandritra ny fanarahan-dia. Vao andro vitsy lasa izay no tsy afa-nivoaka ny tranony ny Ben’ny tanàna tao amin’ny fokontany Bemahatazana satria norahonan’ny dimampolo lahy izay manapoaka basy tsy an-kijanona, avy eo amin’ny tokotaniny. Toraka izany ihany koa ny biraon’ny zandary tao amin’io tanàna io. Izany dia mba hoentin’ireo dahalo manamora ny halatra nataony. Miady aman’aina ny mponina ao ambanivohitr’io faritra io, ary isan’andro sy isan’alina mihitsy izany.
D.R