- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Kamiô avy nandona fiara roa, latsaka tao ambany tetezana

Ambohimalaza : Kamiô avy nandona fiara roa, latsaka tao ambany tetezana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faharoa, tetsy amin’ny tetezana Ambohimalaza, alohan’ny hiditra an’Ambohimangakely, omaly antoandro. Fiara lehibe iray avy any amin’iny faritra Atsinanana iny no niharan-doza. Rehefa nandona fiara roa mantsy ity farany, dia nivadika ary latsaka tao ambany tetezana. Na izany aza, tsy nisy aina nafoy. Olona telo kosa no fantatra fa naratra vokatry ny loza. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany no niseho ny loza, raha nandeha mafy ity fiara avy any Atsinanana ity. Efa hiaraha-mahalala fa somary tery ny làlana eo amin’io tetezana io no avy hatrany ihany koa dia mamaly amina fiolahana tsy ahita-mitsinjo izay mety ao aloha. Tamin’izay fotoana izay no nifanena tampoka tamina kamiô iray avy aty Andrenivohitra ity fiarabe, izay nambara ihany koa fa somary nangalatra lalana. Niezaka niala an’io ny mpamily kanefa voakasoka ihany ilay kamiô. Vokatry ny dona, dia voakipily ilay nandona ka nifatratra ihany koa tamina fiara kely iray taoriana, ary namarana ny lalany tany ambany tetezana nony avy teo. Vokany dia ireo olona telo naratra ireo : ny roa tamin’ilay kamiô avy any Atsinanana, ny iray kosa tao amin’ilay fiara kely voadona. Efa samy nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa moa ireo naratra. Samy nahitana fahasimbana betsaka kosa ireo fiara telo nifandona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici