Ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava izay raha ny tokony ho izy dia hivantanan’ny fitarainan’ny fianakavian’ny olona niharan’ny fakàna an-keriny dia nilaza mazava fa tsy nampahafantarin’ny fianakavian’i Deep ny zava-nitranga. Torak’izany ihany koa ny kaomisarian’ny boriborin-tany voalohany izay miandriakitra ny fitandroana ny filaminana eo amin’ilay toerana nisehoan’ny raharaha. « Tsy nisy fampilazàna mihitsy tonga aty aminay hatramin’izao (omaly hariva). Na ny anaran’ilay olona na ny toerana nisehoan’ilay kidnapping dia tsy mba nozarain’izay mahafantara taminay mihitsy » raha araka ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny pôlisy izay nanontanianay. Na izany aza, hoy ihany ny loharanom-baovao mitovy, dia nanapa-kevitra ny nanamafy ny fisavàna eran’ ny tanàna izy ireo. Efa fanaon’ny karàna ihany ny mangina sy tsy mampandre ny mpitandro ny filaminana rehefa misy ny kidnapping. Amin’ny lafiny iray dia nahomby izany satria afa-belona ny maro rehefa nanome vola. Ny lafiratsiny kosa anefa dia lasa heloka bevava mora tontosaina ny kidnapping, vokatr’izany tsy fanomezana vaovao ny mpitandro ny filaminana izany. Isan’ny mampiverina matetika ny fakàna an-keriny izany satria manamora ny asan’ireo jiolahy ilay fahanginana. Any ivelany, ao anatin’ny fotoana fohy aorian’ny fisian’ny kidnapping dia efa fantatra ny nanao izany. Miasa avokoa ny teknolojia sy ny loharanom-baovao samihafa. Ny tena lehibe ao anatin’izany dia ny fandraisan’ny olona izay nahita andraikitra ka mamariparitra ny tarehin’ny olona izay hitany. Vetivety dia fantatra avy eo satria efa manana raki-tsarin’ireo mpaka an-keriny ny mpitandro ny filaminana. Eto amintsika dia mbola sarotra tanterahina izany satria ny teknolojia mbola tsy miasa firy ary ny olona ihany koa, izay efa mifantoka loatra amin’ny fitadiavana andavan’andro, dia miala andraikitra ka na nahita maso aza dia aleony mangina sao izy indray no voaantso matetika. Toe-tsaina izay isan’ny mampirongatra ny heloka bevava.
D.R