- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nampihaonina ny mpiasan’ny banky sy ny mpisambo-bola aty Alaotra

Ambatondrazaka : Nampihaonina ny mpiasan’ny banky sy ny mpisambo-bola aty Alaotra

Nitondra fatiantoka lehibe ho an’ny tantsaha ny fahatongavan’ireo banky madinika  teto amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro,  hoy ireo ben’ny tanana marobe tonga nivory tao , betsaka ny nivaro-pananana toy ny tanimbary motoculteur, trano, noho ny tsy fisian’ny fanazavana maharitra hany ka lasan’olona avokoa ny antoka rehetra noho ny tsy famerenana ny vola. Noho io olana goavana io dia nikarakara fihaonana sy fifampiresahana  hampianarana ny vahoaka eo amin’ny fomba fisamboram-bola sy ny fampiasana vola ny loholon’i Madagasikara Atoa Rabenony  Day tao amin’ny efitrano malalaky  ny Médiathèque Ambatondrazaka, ny  27 septembra 2017 lasa teo , izay nanodidina ny valo teo ireo tompon’andraikitry ny banky tonga namaly ny antso. Nafana ny fifanakalozan-kevitra satria nahaliana ny olona maro, ary niaiky ireto banky ireto fa tokony hampitomboina ny fampianarana  ny vahoaka  amin’ny fampisamboram-bola sy ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’izany mba tsy hisian’ny fitaka amin’ireo tantsaha.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici