- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Mitokona ny mpianatra, raikitra ny sakoroka sy doro kodiarana

Oniversiten’i Toamasina : Mitokona ny mpianatra, raikitra ny sakoroka sy doro kodiarana

Efa nanomboka ny alakamisy teo no nitokona ireo mpianatra eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, noho ny resaka vatsim-pianarana sy ny fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny oniversite tsy azon’izy ireo, araka ny nambaran’ireo mpianatra mitokona ireto. Araka ny nambaran’izy ireo dia miisa 2.600 ireo mpianatra tsy nahazo izany vatsim-pianarana sy fanampiana ara-pitaovana izany, nefa efa nisy ireo mpianatra namany nahazo izay naira-nikarakara antontan-taratasy tamin’izy ireo ihany nandritra ny fotoana nanaovana izany. “Mpianatra tsy namerina kilasy, nahavita fisoratana anarana ara-potoana, ary tsy manana olana amin’ny oniversite izahay tsy mahazo vatsim-pianarana izao”, hoy ireto mpianatra manao fitokonana. Nanome fe-potoana ny filohan’ny oniversite izy ireo hatramin’ny alatsinainy izao, raha ny filazan’izy ireo ny alakamisy teo. Tampoka teo anefa, ny zoma tokony tamin’ny 11 ora antoandro teo, dia niverina nitokona sy nanimba zavatra ireto mpianatra, ka fiara efa tsy miasa tao anatin’ny oniversite no nodoran’izy ireo, teo koa ny tora-bato nataon’ireto mpianatra ireo mpandalo nanoloana ny vavahady fidiran’ny oniversite tao Barikadimy, ary ny fandorana kodiarana teo amin’ny arabe sy ny tokotanin’ny oniversite. Nanao ny fandaminana ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nisy kosa ny fisamborana nandritra izany. Ho an’ny filohan’ny oniversite dia efa nodinihan’izy ireo omaly zoma ny mikasika ireo mpianatra milaza ny tsy mbola nahazo vatsim-pianarana, izay nisy antony; ka mba ho fitsinjovana ataon’ny oniversite sy ny zava-misy amin’ny antontan-taratasin’izy ireo dia nisy mpianatra 300 mahery tamin’ireo 2.600 tsy nahazo no homen’ny oniversite vatsiam-pianarana sy fanampiana ara-pitaovana indray. Raha ny mikasika ny tranon’ny mpianatra kosa dia miankina amin’ny fahatongavan’ireo fitaovana avy amin’ny toky nataon’ny filoham-pirenena ny fandraisana ireo mpianatra ao anatiny. Koa ho hita eo ny tohin’ny raharaha amin’ny alatsinainy fe-potoana farany nomen’ireo mpianatra ny oniversite.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici