Ao anatin’izao fisian’ny aretina pesta eto Toamasina izao, dia fomba iray heverin’ny ben’ny tanàna hanafoanana izany, sy hanomezana endrika ny tanànan’i Toamasina, ny fandroahana ireo “4’Mi” sy ireo “Mahantra” manorina trano eny amoron-dranomasina ampitan’ny fiangonana katolika masindahy Josefa Ampasimazava. Ny zoma teo vao maraina, dia tonga teny amoron-dranomasina ny ben’ny tanàna sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo “gros bras”, ary ireo ekipan’ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina. Avy hatrany dia raikitra ny fandravana ny tranon’ireo “4’Mi” sy ireo “Mahantra” nanorina trano “Sachet” teny amoron-dranomasina, na efa nitalaho tamin’ny ben’ny tanàna sy ny ekipany aza izy ireo, saingy tsy nihaino izany izy ireo ka nitohy hatrany izany,ka niafara tamin’ny fandoroan’ireo ekipan’ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina izany. “Aiza izany izahay no hipetraka? Tsy fidiny anay anie ny mipetraka aty ao anatin’ny orana sy hain-trano miaraka amin’ny trano misy anay ity. Esorina eto izahay nefa tsy manana trano hamindrana anay akory ny kaominina, nefa ireo lavarangan’ireo tranom-barotra samy hafa ihany koa tsy manaiky anay hatory eny”, hoy ireto “4’Mi” sy ireto “Mahantra” ireto. Ho an’ny ben’ny tanàna anefa dia fanadiovana sy fanatsarana ny tanàna no ataony ka tsy misy afaka manakana azy amin’izany araka ny nambarany. Tsy sambany anefa ity hetsika fanimbana sy fandorana ny tranon’ireo “4’Mi” sy “Mahantra” eny amoron-dranomasina, fa fanindroany izao raha tamin’ity taona ity monja…
Malala Didier