- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbinaninony – Brickaville : Kaominin’ny “Manjarano” eto Toamasina

Ambinaninony – Brickaville : Kaominin’ny “Manjarano” eto Toamasina

Nampisy resa-be tao amin’ny kaominin’Ambinaninony sy ny disitirikan’i Brickaville ary tonga olana nasionaly ny disadisam-piarahamonina nisy tao amin’ny kaominin’Ambinaninony Brickaville. Na teo aza ity olana ity, dia tsy niteraka ady teo amin’ireo mpiara-monina izany, ka izay no nahatonga ireo tangalemana nandray andraikitra nandamina ny raharaha satria kaominin’ny “Manjarano” ny tanànan’izy ireo, izay andrandrain’ny mponina hiteraka fampandrosoana ho azy. Nisy noho izany ny “tsaboraha” nokarakarain’ireto tangalamena ireto ny zoma teo tao Ambatolampy ho fandaminan-draharaha. Nisy mantsy ny alahelo tamin’ireo mponina ao Ambatolampy tamin’ny nanaovana ny “tsaboraha” voalohany tamin’ny fidiran’ny orinasa DNI Metals hanao fikarohana “Manjarano” na “Grafita” ao an-toerana, satria ny zana-tananan’Ambatolampy no misy ny harena ambanin’ny tany ity, nefa izy ireo indray no hadino tamin’ny fomban-drazana miaraka amin’ny famonoana omby ity tany am-boalohany. Taorian’ny fanapahana noraisin’ireo vahoaka sy ireo tangalamena ny 13 septambra lasa teo dia nosafidiana ny andro zoma teo nanaovana ny fomban-drazana ho an’ireo vahoaka ao Ambatolampy. Milamina ny raharaha manomboka izao hoy ireo tangalamena, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny faritra Atsinanana misy ny toeram-pikarohana hoy Atoa Mamy Randriamamaritra Inspektera ny faritra, satria tsy mahatsara ny fampandrosoana ao Ambatolampy, ny fokontanin’i Vohitsara, ny kaominin’Ambananinony, ary ny faritra, ny fisian’ny disadisam-piarahamonina. Ankoatra izay dia tsy ny DNI Metals ihany no orinasa mikaroka sy mitrandraka ny “Manjarano” ao anatin’ny 435km2 mamaritra ny kaominina, fa eo ny orinasa Gallois ao Antsirakambo izay efa an-taonany maro, ny Turi Pati ao Savalaina mbola manao fikarohana; efa misy hisy orinasa roa hafa ihany koa anefa handrasan’ny mponina hiditra hanao fitiliana sy hitrandraka izany ihany koa ao amin’ny fokontany Marofody ao Menagisy, sy ao amin’ny fokontany Ambodirafia…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici