- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Zanaka Sefo Fokontany vao afaka CEPE, bevohokana patiraon’omby

Andapa : Zanaka Sefo Fokontany vao afaka CEPE, bevohokana patiraon’omby

Nahazo laka tato ho ato ny fanolanana zaza tsy ampy taona mitarika vohoka tsy hirina sy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro any amin’ny Faritra Sava malaza amin’ny vokatra lavanila. Tovovavikely iray vao afaka CEPE farany teo, monina ao Andapa, izay voalaza fa zanaka Sefo Fokontany no fantatra fa bevohokana zanaka patiraon’ omby. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia fantatra fa hiditra enim-bolana ny kibon-drazazavavy ankehitriny, ary any amin’ny tapatapaky ny volana Janoary any no hiteraka ho lasa renim-pianakaviana tsy fidiny ity voatavo efa mifandraka manodidina ny 12 taona ity. Nanomboka ny faramparany volana septembra lasa teo, dia mitomany matetika ary nitaraina lava ho misy zavatra mibotsina marary azy ao an-kibony ity zazavavy. Nehevitra ny rainy fa voany pesta ity zanany ka noentina namonjy toeram-pitsaboana. Akory anefa ny hagagan’ ingahy Sefo Fokontany raha nilaza nahitsy ny mpitsabo sy mpampivelona nizaha an’ilay tovovavikely, fa bevohoka ny zanakao fa tsy voa na mararin’ny pesta izany. Akona tsy nahateny ity olom-boatendry no sady menatr’olona. Rehefa nofotorana lalina ilay zazavavy tsy ampy taona mitondra vohoka dia nilaza sy nanondro ny rain-janany, izay lehilahy monina ao Andrakata Andapa. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra voaray farany, dia ifandroritana ny raharaha ankehitriny, ary efa mandeha sahady ny fanambazana volabe iray kitapo ny ray aman-drenin-drajazavavy mba tsy hitory. Ho hita eo ary hotaterina eto hatrany ny fivoaran’ity raharaha be mpanaraka ity.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici