Nitory avy hatrany izy ireo ary nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny pôlisy ao Grand Baie. Niainga tany amin’ny toeram-pandihizana ny raharaha. Mba nivoaka alina tao amin’io toerana io toy ny olon-drehetra izy ireo, ny faran’ny herinandro teo no nihaona tamina lehilahy maorisiana telo. Nanomboka teo ny resadresaka ary nisy ny fanasana azy telo vavy mba handeha amin’ny fety fitsingerenan’ny taona izay handehanan’izy telo lahy aorian’ny toeram-pandihizana. Nanaiky ihany ireo telo vavy na dia sady niahotra kely aza. Tonga tany amin’ilay toerana, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Péreybère, kinanjo tsy nisy fety izany akory. Noterana ireo telo vavy niditra tao amin’ny « bungalow » iray. Rehefa izany dia nambanana tamin’ny antsy ary nanaovan’ireo telo lahy ny filàna ara-nofony. Nitsoaka ireo olon-dratsy taorian’izany. Olona teo amin’ny manodidina no nahita ny iray tamin’izy telo vavy izay niboridana tanteraka ary toy ny tsy tompon’ny tenany intsony. Io no nampandre ny mpitandro ny filaminana izay akaiky azy indrindra. Nisy tamin’ireo vehivavy no niala avy hatrany tao amin’ilay « bungalow » ary nivantana ihany koa tany amin’ny pôlisy. Ankoatry ny fidorohana zava-mahadomelina sy fitsindronana an’izany, dia isan’ny asa ratsy matetika mitranga ao amin’io nosy io ny fanolanana. Amin’ny dimy ora hariva matetika dia efa mody any an-tranony avokoa ny olona raha sendra tsy mitondra ny fiarakodiany. Tsy ny fanendahana na koa ny asan-jiolahy loatra no tena atahorana, indrindra ho an’ny vehivavy, fa ny fanolanana. Toerana isan’ny mahasarika mpizahatany maro anefa i Maorisy na eo aza ny toe-javatra toy izany. Tsy dia matetika miseho ny herisetra na koa hoe hain’izy ireo ny manafina ny zava-mitranga ao aminy. Isan’ny fampitandremana ataon’ny olon-tsotra mponina ao anefa ny tsy fandehanana harivariva, indrindra ho an’ny vehivavy ary koa raha mandeha irery.
D.R