Ny pesta etsy andaniny, ny asan-jiolahy etsy ankilany. Ny alahady hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora tokalandro no hita faty tao an-tokantranony tao Maintirano, ny Talen’ny kabinetran’ny Faritra Melaky teo aloha. Tsy fantatra mazava hatreto ny tena zava-nisy na fanafihanan-jiolahy niafara tamin’ny vono olona izy ity na tena vono olona an-kitsirano tsotr’izao. Ny hany fampitam-baovao azo mantsy, dia ny olona no nahita azy tao an-tranony, efa tsy niaina intsony ary nihosin-drà tanteraka. Nantsoina avy hatrany teo ireto tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, nandeha nijery ifotony ny zava-nisy. Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahitana fa maty vokatry sy ny kapa famaky nahazo azy ity tompon’andraikitri-panjakana teo aloha ity. Raha ny fantatra tokoa mantsy ,dia nahitana diam-bala teo amin’ny tanany havanana. Nahitana ratra, izay navelan’ny diam-pamaky kosa teo amin’ny lamosiny sy ny lohany, izay azo heverina avy hatrany fa antony nitarika ny fahatesana. Efa mandeha moa any an-toerana ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona feno habibiana ity. Eo an-dalam-pikarohana ireo na izay nahavanon-doza ihany koa ireo zandary any an-toerana.
m.L