Mena tanteraka ny loko amin’ny pesta eto Toamasina ankehitriny satria araka ny vaovao marim-pototra voaray, na mangina tsy mamoaka ny marina mikasika izany aza ny eo anivon’ny sehatry ny fahasalamana eto Toamasina, dia niampy 11 indray ireo mpiasan’ny fahasalamana Atsinanana mitondra ny aretina pesta ankehitriny. Araka io angom-baovao io hatrany, dia nanomboka ny sabotsy dia nisy hatrany ny fitiliana natao tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana nampisalasala ka taorian’ity fitiliana natao tamin’izy ireo ity no nahalalana fa niabo avokoa izany. Ny vavan’ny minisitra ihany koa no nilaza teo imason’ireo mpivory rehetra ny alatsinainy teo tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana 05 voalohany voan’ny aretina ny herinandro nivalona iny, fa isany mitondra ny pesta ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana sy ireo “medecins inspecteurs” miasa eo anivon’ny hopitaly ely Toamasina, saingy efa manaraka fitsaboana mifanentana amin’izany avokoa izy rehetra ireo izao. Vokany lasa miteraka tahotra hoan’ny olona ny fisian’izany sy ny “tsy mangaraharaha” avy amin’ny fanjakana mikasika azy ity, hany ka lasa miverina manao dokotera tena amin’ny fividianana ilay fanafody “cotrim” sy ny mifandraika aminy ary ny fampiasana ny tampim-bava no fomba entin’ny fianakaviana miaro tena izao. Noho io fisiana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana voan’ny pesta io ihany koa, dia matahotra hifanerasera amin’ireo mpitsabom-panjakana sy hanatona hopitaly ary toeram-pitsaboana ny olona , sao aretina hafa no hanatonana azy ireny nefa pesta indray no entina mody. Miandrandra ny tena “marina” sy hanao ny tena “mangarahara” mikasika ity pesta ity ny olona mba tsy ho tahotra lava tahaka izao no iainany…
Malala Didier