- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinondry Sakay : Dahalo 2 lavon’ny balan’ny zandary

Ankadinondry Sakay : Dahalo 2 lavon’ny balan’ny zandary

Dahalo roa lahy, voalaza fa rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piandiana, amin’iny faritra Ankadinondry Sakay iny, no maty voatifitry ny zandary, ny Alahady 24 septambra lasa teo. Azo izao vokatra izao noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona izay nampandre haingana ny mpitandro ny filaminana. Io alahady io tokoa tokony ho tamin’ny 10 ora, naharay antso ny tobim-paritry ny zandarimaria Ankadinondry Sakay, fa misy dahalo mitondra omby  6 tao amin’ny tanàna atao hoe Malavolona, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana, ka mizotra mihazo ny faritra antsoina hoe Diavolana, kaominina Ankadinondry Sakay. Raha vao nahere izany ireo zandary izay nanao fitsidiham-paritra tao Diavolana, dia namonjy ny kizon’Antamponandapa ao amin’io toerana io ka nifanehitra tamin’ireo dahalo izay efa narahan’ny fokonolona avy tao aoriana. Raikitra ny fifampitifirana ka lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo roa ; izay antsoina hoe Ramiadana sy Lemampy. Basim- borona iray fampiasan’ ireo dahalo no azo tamin’izany ary tafaverina tamin’ny tompony  ireo omby 6.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici